HITIA ANAO MANGINA SA…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Araka ilay ohabolan-drazantsika hoe: “Ny tarehy no ratsy, ka ny volo no aolanolana”. Izay fenoin’ilay hoe: “Natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady”.

HITIA ANAO MANGINA SA…?
‘Ty fo adaladala e! Jinery iray dia babo,
tsiky iray dia latsaka, an-davaka fitia.
Teny feno angola, no fingana nandavo,
ka faly ery, fa hoe tafara-dia.

Tsy tana intsony izato, hajejon’ny tena,
manao ny metimety, hanaitaitra azy.
Matetika aza moa dia, lasa mandany lera,
mikiry mafy izato namana, mba ho lasa vady.

Dia misy koa ‘zao any, manovaova hogo,
mirandrana ohatr’izany, hanova ny endri-tava.
Saingy ny fitiavana, hatrany an-trano bongo,
Dia tokana sy iray ka, matotra tsy rava.

Hitia anao mangina sa hilaza ny ato am-po?
Hanosaka fitiavana ho anao ‘lay tena tiana!
Hikaroka ny tsara sa hioty izay hahasoa?
Ka haniry hiaina sambatra ilavi-pijaliana!
RRAG
01Jolay 2019
--------
Rohy:
494 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216