HIVERINA HITENY INDRAY AHO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIVERINA HITENY INDRAY AHO...!
Hontsa ny foko, ka aleo aho hiteny,
sobika ve moa, dia ho sahala amin'ireny?
Ireny tokoa mantsy toa, firava-bolamena,
nefa iza no hahita, izay tsara amin'ny tena?

Firy tokoa ary, ireo sahy naneso?
Nisy mihitsy aza, sahy nivetso,
nanaratsy anao, eny! Nanasoketa.
Amin'izay hono ianao, halan'ny rehetra!

Nefa izy ireny, moa tsara noho ianao?
Sa tokoa hoe meva, raha mianjaika toy izao?
Miavaka tokoa aloha e! Raha ny eo an-kodiny.
Fa moa ve izany, handrava izay todiny?

Ny akanjony madio, ny ranomaniny midofaka,
fa ny any anatiny, toa lambo tsy voafolaka.
Mbola mamofompofona, sy feno tsikoko.
Dia izy indray, no miseho mitsitoko!

Hiverina hiteny aho, fa leo 'ty fitsarana,
atao amin-jery, toa tsy hanam-piafarana.
Topimaso tokana, dia hoe hafantarany anao.
Nefa ny tenany aza, toa tsy hainy hatramin'izao!
RRAG
23 Nôvambra 2017
--------
Rohy:
301 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235