HO AHY SY HO ANAO IHANY IRENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AHY SY HO ANAO IHANY IRENY…
Irony heloka efa vitako, ka nitondra ahy tam-ponja.
Dia ny fitiavako anao, izay diso toa nanonja!
Irony halatra natao, ka nahavoafatotra ny tena.
Ka nahatonga ahy izao, ho fahavalom-pirenena!

Irony adiady maro, izay natrehin'ity tenako.
Nisy rà nilatsaka any, saingy toa tsy nanenenako!
Fa tiako ianao, ianao irery, ho an'ny foko mandramaty.
Ny hahita anao an-tanan'ny hafa, toa indrisy, fa tsy ho tanty!

Irony jeriko nivilana, toy ny miambina anao.
Nolazainao tsy fahatokisako, ny fitia avy aminao.
Saingy ny anton'izy ireny, mbola sarotra fantarina.
Fa tiako loatra raha ianao, izay aloha no tena marina!

Ho ahy sy ho anao no nanaovako, herisetra tamin'ny hafa.
Ho ahy sy ho anao no nandavako, hetraketraky ny lasa.
Tiako ianao tsy hasiam-pangarony, na dia saosisaosy aza.
Ho ahy sy ho anao ihany ireny, fa aza ataonao mahagaga!
RRAG
25 Martsa 2019
--------
Rohy:
384 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3379