HO ANAO 'LAY MPANKAFY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO 'LAY MPANKAFY...
Raha mbola misy ainga, manosika ny peniko,
hanakatra tontolo, tontolon'ny fanahy,
dia hiezaka aho ny hamboraka, ary tsy ho afenimpeniko,
hanosehako hiroso, 'reo manana ahiahy.
Vesaran'alahelo, ka kivy noho ny fiainana,
vontosan'ny tomany, toa manan-tsaina hihemotra,
resin'ny ankaso, tsy misy hitarainana,
verivery saina, ka tady hanita-keloka.

Raha mbola misy ainga, ahafahako manarina,
mihazonan'ny tanan'ireo mila izany,
dia tolotra fitia, tsy ilaina amborimboarina,
no arofanin-tsotra, hamafako ireo tomany,
hanoloako ireo famafa, efa kotsan-dràtra lasa,
fery tsy hay vonoina, maningotra aty fo,
hanorenako indray, ny tanjona kinasa,
mba tsy kisarim-pahafahana, fa tena hitondra soa.

Ho anao 'lay mpankafỳ, nieza-nampitony,
nieza-naka lesona, ny soratra voarakitro,
niezaka namafa, ny fakan-donilony,
ka nahita soa, tanatin'ny eritreritro,
ho anao tsarovy, no mbola hanoratako,
ho anao no hiadiako, amin'ireo mpisetra,
na hisamborana ahy aza, ny vava izay tsy aritro,
dia tsarovy hatrany, fa ny azy hanam-petra.

Hanam-petra eny, ny setrasetra entiny,
hanam-petra ihany, ny fingana maro atosaka,
misy farany tsarovy, ny lainga izay ventesiny,
handotoana anao, hahatonga anao hiantoraka,
hiantoraka eny an-tratrany, hitady vahaolana,
fa izy irery angaha, no afaka hitondra izany?
Tsy ho mainka aza fingana, sy miampy toratoraka,
latsalatsa teny, no hitsena anao raha ho any.

Raha mbola misy ainga, tolo-janahary,
ahafahako mitroatra, manampy anao ankolaka,
dia aza hadinoina mihitsy, fa misy any ho any,
misy tena tia, fa tsy mba mpiangoraka,
tsy ilay mody namana, ka tonga hanararaotra,
tonga indray hamandrika, anao efa tafarina,
fa 'lay namanao, vonona hampivoatra,
ka hiady hatrany hatrany, sy hanao ny marina.

Ho anao 'lay mpankafỳ, no handefasako ainga,
ho anao 'lay resin'ny fiainana mpisetra,
ho anao no ezahiko, hanoherana 'reo lainga,
izay mbola hatreto aloha, toa mbola tsisy fetra.
Ka raha mbola misy penina, sy ranomainty ahafahako,
mamotika azy ireny, dia hataoko hatrany,
satria tokoa mantsy, ny fahafahanao fahafahako,
izay 'lay firaisankina, tiako ahorina eto an-tany.
RRAG
27 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
680 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224