HO ANAO MISENTO ANIO… - RRAG
Azo vakiana?
Any ho any koa nefa misy misento amin’ity andro anio ity satria vesaran’alahelo!
HO ANAO MISENTO ANIO…
Ho anao misento anio fa nahatsapa maizim-bolana,
hoe lavo teny ho eny, ny Reny nianteherana!
Ho anao ‘lay mitomany, fa tojo ady sy olana,
irony tahirin-tsary, no ‘ndeha hiverenana!
Dia vinanio etoana, ny tsiky izay nomeny,
ny fitiavana natolony, ho anao ‘lay sombin’ny ainy.
Hevero segaondra vitsy moa hoe, mbola eo i Neny!
Mitady vahaolana, mamaky indray ‘ty sainy.
Tsy irery ianao akory, fa eo ilay fitiavana,
mitafy irony ezaka, entinao mitraka!
I Neny ilay nianjera, efa tena miadana,
anilan’ilay Tompo ‘zay mpanjaka!
Ho anao misento anio fafao ny ranomaso,
mitsikia kely, ho tolotra fitiavana!
Ho lalana mazava, ilavitry ny ankaso,
feno fifaliana, no hodiavinao rahavana!
RRAG
07 Jona 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 28/07/2020
Mpamangy : 165
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DIA HOE…RAHA AVELANAO…
ANTSA TSISY FETRA…
TSY LAVINA… KANEFA…
TOKOA MOA IZANY…
DIS-TU?
MENOMENON-TSAINA…
TAFITA NY AINA…
RAHA TSY MANDRAVA…
TODY…