HO AN’I NENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN’I NENY…
Ianao ilay nizaka, fijalian-tsy efan’ny aina.
Ianao ry Neny tiako, ilay hany irery, tsy mba nitaraina.
Nitondra ahy tan-kibo, sivy volan-tsy ankiato.
Nefa izany taminao, tsy nangidy, tsy natsatso.

Ianao no kintam-piainako, fanilon’ny hazavan’ny foko.
Ianao ‘lay fitarainako, sady anarana fiantsoiko.
Ireny aho raha sendra osa, mila tosi-tanan’ny hafa!
Ianao re ry Neny, ianao no tsy mba nihafa.

Ka ankehitriny ianao etoana, tratra fety indray anio.
Tsaroako ireny izaho naditra, tonga izao dia ivilio,
hoy ianao niteny mafy, tam-pahatezeram-pon-dReny.
Hafa ihany ianao, hafa loatra ianao ry Neny!

Ho an’i Neny tiako indrindra, indro arafitro ity boky,
feno kalo misy rindra, feno dina feno toky.
Fa ny anatrao rehetra, tsy ho ataoko ambanin-javatra,
sady tsy ho asiako fetra, hampitaiko amin’ny zanaka.
RRAG
26 Mey 2013
--------
Rohy:
870 1
Mpakafy: ANARIM
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208