HO AZY HONO IRENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AZY HONO IRENY…
Ho azy hono ireny, raha mbola ny fasana!
Ho azy hono ireny, raha ferin’ny lasana!
Saingy tsy ho azy, raha zogan’ny hafa!
Fa lanjainy ho azy, raha todin’ny lasa!

Ho azy hono ireny, satria raha nafafiny!
Hofonjany ireny, na dia tsy satriny!
Ka ho azy ireny, na dia tsy tiany!
Tsy maintsy lanjainy, eny, na dia tsy iriny!

Ho azy ireny, satria fahotany!
Ireny angamba, no solon-tomany,
izay tsy maintsy hoentiny, na tiany na tsia!
Hotarihan’ireny, na dia mafy ny dia!

Ho azy hono ireny, anjara lovany!
Ekeny ireny, fa afo fandiovany!
Ka ho azy ireny, na vesatry ny aina!
Zogany ireny, mitahiry adin-tsaina!

Ka iza no haka, ny azy eny an-tanany?
Iza no handrombaka, ‘zay hany fananany,
dia hamela azy, tsy hisy hamikirana?
Iza anefa, no tsy ho sahirana?

Ka eo avereno, fa azy hono ireny!
Eo mba atero, aza hakàna na kely!
Aza hanambinana, fa azy hono ireny!
Hotsinjarainy, fa tsy ho azy irery!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
301 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207