HO TOKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO TOKO…
Nandrafitra ianao, andinin-ditera,
ho fehezanteny, ambaràm-pitia!
Ny tonon’ireny tsy nentina nidera,
‘reo zavatra efanao, sy vitanao tety.

Fa narindranao, ho famafa alahelo,
ho an’irony trotraka, reraky ny ady.
Kanefa ny lasany, dia mbola io mihelo,
toa tsy mihetsika, toy ny voafato-tady.

Namafa ianao, alahelo nihiboka,
namery maimbo, tao anaty ràtra.
Ireo ainga sy feo, renao miritsoka,
no nampalefaka, ‘ty sedra mahazatra.

Dia toko sy andininy, no injay nisy feo,
nandrotsy, ny fon’ireo resin’ny ady.
Ay moa ianao koa ka isan’izy ireo,
lavo sy potraka, ka nianjera tany an-kady!

Etsy! Mangina dia aza mitomany,
f’irony soratrao dia avela hitoetra.
Ho toko izy ireny, handefy izay omaly,
mbola minia ihany, ny misetrasetra!
RRAG
Sabotsy 21 Septambra 2013
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0238