HOY AHO RAHA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOY AHO RAHA...
Hoy aho raha nanontany 'ty lanitra ambony:
"Nasitrikao aiza, izay anjara zony,
no dia mpiankaso lava, no misetra ny aty fony,
minday adin-tsaina, tsy ahitany tory?"

Zaza menavava, nilazaovan-dReny tiana,
fa mbola tany am-bohoka, dia nizoga fijaliana.
Tsy fanta-dRay hiahy, tsy havana hitsetra!
Oviana re ry lanitra, ny adiny ho hisy fetra?

Zaza menavava, dia 'ndrao nisara-nono,
fa resin'ny adim-piainana, 'lay tsisy mahasolo.
Hantsana sahady, no santa-pahavelomany,
ady an-kerisetra, no ataonao hitolomany.

Ny diany tsy ho fantatra, sarotra fantarina.
Ny lalany ankamantatra, asa ahoana marina?
Ka hoy aho raha, nitafa tamin'ny lanitra,
hoe: "Sao lahy e! Mba miangatra Andriamanitra?"
RRAG
29 Aogositra 2020
--------
Rohy:
332 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214