I FAHAFAHANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I FAHAFAHANA…
Ninoninona ho ambara? Ninoninona ho lazaina?
Ny fahafahanao tsy akory, hanosenao ny an’ny hafa!
Ka hisy indray any ho any, olon-kafa hitaraina.
Toy irony fihetsikao, nizaka fery tefin-dasa.

Tsy ny zo hanananao, no hanitsahanao ny azy.
Tsy ny tamberin-dasanao, no hikotreham-balifaty.
Fa tsarovy, hinio kely tadidiana, irony ady!
Moa ianao va tamin’ireny, mba nahatanty?

Ka raha afaka ianao, moa tsy mendrika azy koa,
ny mba hiaina toa anao, ao anaty fahafahana?
Manan-kasina izy, tsy mba olom-bery zo,
na dia nisy tao tsy faly, ka dia niezaka nibahana!

I Fahafahana sakaizany, fa tsy namany naharitra,
nanadino ny niarahana, rehefa sendra faharesena!
Nefa anie dia teny ho eny, samy nihafy samy niaritra!
Ka dia namari-binavina, hikendry ny ivom-pandresena!
RRAG
Nôvambra 2019
--------
Rohy:
372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206