I FANJA… SA I …NJAKA…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ainga somary nanidintsidina teny an’habakabaky ny nofy. Tora-kevitra tsy ilàna ady hevitra akory. I Fanja… sy i …Njaka… tsy iza fa samy teny mandrafitra ny teny hoe: “Fanjakana” avokoa.

I FANJA… SA I …NJAKA…?
Fihibohana efa ho lava, fa tsy atao mahakivy.
Na izany aza, aiza izay adidy,
nefain’ikala Fanja…, hanorenana ‘reo trotraka,
resin-dazon’ady, mifotetaka ka potraka?

Fanaintanana isan’andro, tsy mety mba mitsahatra,
zogain’adim-piainana, tomefin’ny oram-baratra.
Fa aiza koa i …Njaka…, handefy izay mavesatra?
Indrisy fa tsy tsapa, ka mahavalaketraka!

Hadino ny madinika, ka zary bebe saina,
mitady izay ho arapaka, ka tsy mitandro aina.
Ry Fanja… ery variana, miatrika ‘lay ady,
i …Njaka… tsy voafehy, dia ‘njao manapa-tady!

Mibodo sy mandrava, mamoron-trosa maro!
Dia izao karazan-tetika, no afangaroharo,
anaty teti-bola, ahafaha-maka kely.
Ny vahoaka moa sahirana, dia tsy afaka mijery!

Fanja… a! Fehezo aloha i …Njaka…,
‘lay tsy voafehinao, ka dia manjakazaka!
Manao izao sy ‘zao, hanosena anay madinika.
Raha misy tsy efanao, tongava aty midinika!

Tsy ratsy ny fihibohana, narafitrao ho didy,
raha samy mahavita, ny andraikitra sy adidy,
ireo mpifehy vahoaka, sy ireo vahoaka entina!
Aiza no hisy hevitra, tsy ho ahitana pentina?

Fa kosa ianao ry Fanja…, no miezaka mandravina,
mandamina ny paika, sy dingana hodiavina.
I …Njaka… no mifehy, ny lalana ho kinendry.
Ka raha tontosa ireo, dia ny vahoaka ho hendry!
RRAG
02 Jona 2020
--------
Rohy:
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206