I FELANA A? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I FELANA A?
Miravaka halemena, fa dia manafin-toetra.
Minday rotsirotsy, nefa injay, misetra!
Miangola sy mitamby, indrisy fa maneso!
Raha toa antokom-pihira dia, ilay mpanao beso!

Toa hoe manafosafo, nefa toa mandrangotra.
Mivolan-teny mamy, nefa koa mandrangitra!
Makamaka fo, dia indro indray mandràtra.
Nantenain-koavy, saingy tsiahin’ny lasa!

I Felana a? Sakaiza sa fahavalo?
Fa rehefa ianao misento, vao izy indray mikalo!
Mandrotsy ny aty fo, mitondra tambitamby.
Ianao ‘lay rendrika iny, izy no hany andry
iankinana sy ianteherana, hanafaka ny zoga.
I Felana a? Fahafahana sa fonja?

Miketoketo-dava, kanefa toa mba tsotra.
Manindry ny madinika, saingy tia manampy ny osa!
Dia aiza ho aiza izany, no toeram-pamaritana?
I Felana a? Toa angatry ny vintana,
naman’itsy lahatra, mamaritra ny tendry.
I Felana a? Toa tsy adala tsy hendry!
RRAG
24 Jolay 2020
--------
Rohy:
596 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212