I FITIAVANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I FITIAVANA...
Noheveriko ho tsiky tsy lany hamamiana,
tsy hahatsapa ngidin'ny tsirom-piainana!
Nosainiko ho lapan'ilay fifaliana,
kinanjo koa moa an'ny fanaintainana!

Mibosesika loatra ny nofin'ny saina,
fa saingy tsy iainan'ny fo avokoa!
Noheverina hatrany hoe tsy mba miaina,
raha mbola tsy nandia fitiavan'olon-droa!

I Fitiavana koa kay be sotasota,
mampamikitra mafy amin'ny fanantenana!
Ny olan-tsy zaka no toa miahy miavosa,
kanefa ny fo revom-pahajambana!

Miandry fo vato hitepo fitia,
ka miandrandra ny kintan-tsy ho azo!
Tsy azo heverina mihitsy ho tafara-dia,
ny sai-mankafy sy ny fo tsy mba babo!

Maminany ny hoavy sy izay mbola hoentiny,
i kala fitiavana sa lasa amborona?
Fo tsy hitepo io 'zay efa harafesina,
no tineren-kitsofoka amin'ny fitia tsy antonona!

I Fitiavana nefa tsy akory tsy ratsy,
fa misy andro ao mangidy tsy telina!
Indrindra moa 'lay tiana tra-nampirafy,
kanefa tsy miaiky rehefa tenenina!

I Fitiavana koa mba rovam-piadanana,
rehefa voatamby sy voangolangola!
Fa kosa aza atao ho hifaninanana,
raha toa mbola tsapa fa mbola tsy ora!
Mbola tsy fotoana ny hamafy zezika,
hitsirin'i Fitiavana ho haingam-palazo.
Toy ny sambo ihany io, ka rehefa rendrika,
dia ny kapiteny no miditra angano!

I Fitiavana raozy ka mila koloina,
mila tondrahana tsy ho avela ho maina!
Rehefa marary dia mila tsaboina,
mba afaka hivelatra ampitso maraina!
Fa i Fitiavana tokana hatrany,
fifamatoram-po roa na maromaro!
I Fitiavana koa dia fankahalana ihany,
saingy misy fahasorenana mifangaroharo!
RRAG
21 Jolay 2021
--------
Rohy:
495 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173