I KALA BOZIN'ANGATRA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I KALA BOZIN'ANGATRA...
Misavily fo roa efa tsara tefy,
ka mikaroka fomba handravana fitiavana.
Nandaha-ditera sy angola 'zay nety,
hoheverina fa handravim-piadanana.

Niroso ny paika natao 'zay hamabo,
sy hankahalain'ity fo ilay tena tiany.
Kanefa nihodina itony fotoana, ka rehefa sahabo,
segaondra vitsy dia indrao niala tsiny.

Menatra mafy ny vava naloaka,
ka tsy sahy nitraka hijery anoloana.
Fa nony indrisy hoe lasa nitsoaka,
ity olon-tena tia efa leo ny misaona.

Vao indray nihiratra ny maso 'zay jamba,
mitampin-tain'omby ka tsy nahita ny akaiky.
Dia tany an-kafa no nanary lamba,
fa rehefa nilaozany vao tena taraiky.

I kala Bozin'angatra tsy mahalala fitiavana,
no nihevi-tena haka ny anjaran'ny hafa.
Nanantena mafy fa hioty sy hitavana,
izay nokolokoloina hatramin'ny lasa.

I kala Bozin'angatra tsy mahay mitia,
ka mikaroka fomba heverina hahasambatra.
Tsy nahay nanavaka izay tena tia,
sady tsy nahay nipetraka raha tsy efa tan-davaka.
RRAG
20 Aogositra 2020
--------
Rohy:
472 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207