IALAHY...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IALAHY...!
Raha samy kinasa tsy mendrika ho to,
dia 'lay misy ny dia nodiavin'ialahy...
Nametraka fery nomban-dratram-po,
nampitaraina ny aty fanahy...

Tiany tokoa ny amin'ialahy manontolo,
sinaingy toa tsilo nanindrona ny atiny...
Anjara noheveriny tsy afa-nisolo,
kanefa dia dinta nila tsy ho tantiny!

Ialahy volamena teo amin'ny fiainany,
ilay nokoloina ho tsara sy ho soa!
Fa kay ankosotra naningotra ny aina,
nila ho isan'andro no namaky loha...

Ialahy sarobidy fa tsy nahay nitoetra,
tamin-toera-mihajan'ny fony natolony!
Hatreto angamba, hatreo ny fetra,
ka olona hafa no nomeny ny molony...
Dia nangaina ialahy,
very sila-panahy...!

Ialahy ve? Ilay nihevitra azy ho dabam-pako,
nanary maloto teny amin'ny tenany...
Ialahy ve? Ilay nisokajy azy ho mangidy matsatso,
ka nanata-jaitra ny alahelo noferany
tsy hivoaka mihitsy,
saingy ialahy tsy nitsitsy!
Dia indro nitsiry ny fankahalany,
ka fahavalony ialahy raha tany ny tany!
RRAG
28 Aprily 2021
--------
Lien:
210 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224