IALAO FA VADIN’OLONA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IALAO FA VADIN’OLONA…
Efa teny an-tratrany, tsy nirako-pitafiana.
Nanala ny an-koditra, notineren’ny faniriana.
Efa nahavita, ny hadalana tsy tambo isaina.
Efa reraky ny natao, izay vao tonga saina!

Ny safosafony amin’izany, toa tsy foinao mihitsy.
Ny orokoroka nataony, angamba mamy.
Nefa toa nodianao tsy nisy,
fa ny hitolona azy ihany!

Io fa tratra, tratra teo am-parafara.
Farafaram-badin’olona!
Io fa tratra, tsy nahalefa fa toa tara,
mbola tratrany nitolona!

Tsy tahotra tsy henatra, voatery ianao nilefa.
Tsy nahangom-pitafiana, na dia iray akory,
sao mantsy, ny angady no hiantefa.
Toraka, izay arahin-donilony!

Ialao fa vadin’olona, ity tolominao ity.
Ialao fa vadin’olona, ‘lay notsinjarainao fitia.
Ialao malaky teo, sao voazeran’ny kibay.
Ialao dia, ataovy mahafay!
RRAG
01 Martsa 2013
--------
Rohy:
436 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165