IANAO ANGAMBA ANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO ANGAMBA ANY…
Najanoko ny sioka, fiantsoantsoana anao,
voasakana ny antsika, eny hatramin’izao.
Foiny ianao vao tazako, nefa no niboika,
toa tsy mety ravako, ny fitiavantsika.

Very ity ny fo, manantena fahafahana,
voahitsaka ny zo, ny mba hana-namana.
Fa voatery ianao, nalefa tany ampita,
hanalavitra ahy, sy ny fitiavantsika.

Ny alina aho miondrika, mivava-mitalaho,
miantso fitsaràna, avy amin’ilay nahary.
Nefa mbola tsy hita, tsy hita hatramin’izao,
izay fiainam-po, nantenaiko mba hanjary.

Ianao angamba any, efa nanadino ny fisiako.
Ianao angamba any, efa nitia iray vaovao.
Nefa aiza moa, izay fitia hotafiako,
raha toa ianao koa, mety ho efa lao?

Ny maraina toa hatsiaka, hirifirin’ny fitiavako,
ny antoandro, ilay fihaonantsika, moana ny vavako.
Tsy mety hahaloa-peo, hilaza an’alahelo, izay ao am-pony.
Ianao angamba any, efa tsy ahy, efa tsy ahy intsony!
RRAG
16 Febroary 2013
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809