IANAO IO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO IO!
Raha mba tsapanao hoe, isany ianao,
dia manolora tanana, ireo namanao.
Fa banga ny fiainana, raha samy tsy manampy,
fa mijinery fotsiny, ireo tsy manana ampy!

Ianao io koa, mba isan’izy ireny,
mivaky hehy fotsiny, mangina tsy miteny.
Mitazana ireto, manana misompatra!
Nitily maso azy, tsy nanam-po nangoraka.

Ianao io koa, naman’izy ireny,
satria tsy misy atao, hafa tsy ny mijery.
Mba tsy moana anefa, milanjondanjo-molotra.
Ity toetranao, efa toa mahasosotra!

Izaho, izy, ary ianao io,
mihirahira fotsiny, ‘lay hoe: “Zanahary mba tahio”.
Nefa manan’aina, afaka hanampiana ny hafa,
dia mitopimaso fotsiny, sady mihafahafa!

Nefa izaho, izy, ary ianao io,
no tokony hanam-po, hanam-po madio.
Satria isika, efa nivoady masina,
dia tokony hanaja, ny lanjan’ilay hasina.
izay zogaintsika!
RRAG
15 Septambra 2012
--------
Rohy:
423 1
Mpakafy: RRAG
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021