IANAO ‘LAY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO ‘LAY…!
Misy ritsoka tsy tafany, tiany avoaka ho ren’ny hafa,
misy jerin’iny lasany, toa tsy tiany ho voafafa,
mitamberimberina eny, mandrotsirotsy ny aty fony,
zary tsy mahaloaka teny, amin’ny saina tsy mba tony.

Fa dia mitsiaro ilay nofy, filalovanao matetika,
mimanimanina ireo tosy, tsikitsiky amam-pihetsika,
ilay nambabo ny eritreriny, namoha ny torimasom-pony,
injay izato hakanton-jeriny, ‘lay nofy tsy nimpody intsony.

Nilaozanao iny aliny iny, tsy novangianao intsony,
iny aretin-tsainy iny, no nandrotika ny fony,
mieritreritra eny foana, fa ianao mbola handalo,
saingy tontolo efa foana, satria ianao nanova kalo.

Efa olon-kafa indray, no fitsidikao matetika,
efa olon-kafa indray, no nanaovanao ‘lay fihetsika,
efa olon-kafa indray, no misantatra ‘reo safo,
ianao ‘lay nofiny nandao, no zary novidiny lafo.

Ianao ‘lay notiaviny aza, toa tsy menatry ny nandao,
ianao ‘lay notiaviny aza, vetivety dia efa lao.
Mainka moa ‘zay mbola hoavy, moa ho tamana toa anao,
tsy ho vetivety kely aza, dia efa tsy ho tazany ao?
RRAG
04 Jolay 2018
--------
Rohy:
640 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245