IANAO SY IZAHO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO SY IZAHO…
Izaho ‘lay feta tany, rafi-tanimanga!
Ianao ‘lay raozy mavo, zana-boromanga,
ilay tsy mba nitasy, foiny fahazaza.
Fitia mangasihasy, ny ahy dia mora rava!

Ianao toy ‘rony lisy, fanaingo fanjakana!
Izaho toy irony antseva, fanapy voro-damba,
na dia mba nitia, toa olona tsy tiana.
Nofy avokoa, ireny faniriana!

Izaho tarana-dambo, fihaza sy fihinana!
Ianao voro-mailala, fotsy fihodirana,
fanaja sy fanilo, fa tompom-pahendrena.
Izaho anefa adala, mpitrongy sy mpitrena!

Izaho sy ianao tsy mitovy, fa samihafa fomba,
ny mitia anao, toa mety hampidi-doza!
Nefa ny fitiavantsika, tsy nafafy dia namelana!
Toa atahorako ihany, ho vetivety dia hiserana!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
346 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0838