IANAREO ROA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAREO ROA
Nosakanana tsy hitia, tsy mba hifankatia, ianareo roa.
Izany sanatria, tsy nahasakana akory, ny fientanam-po.
Nalavirina ny maso, nalefa nita rano, mba tsy hifankahita.
Fa toa vao mainka ireny, nampitombo ny fitia, sady indray nampita.

Noterena vay manta, ny hisarahan’iny fo, ‘zay samy tena tia.
Nofehezina tan-dapa, fonjam-po faharoa, ny fiboikan’ny fitia.
Saingy toy ny fotaka iny, nofehezina tan-tanana, dia nibirioka avokoa.
Dia zary fanomezan-tsiny, hanenjehanao ny lalana, nofaritan’izy roa.

Nofatorana tan-davaka, lavaky ny alahelo, ny fonareo ‘zay nifamatotra.
Tsy navelany akory, ny hisento hitomany, hitsiaro ny famatotra.
Izay tsiahy singa anaty, silak’aina mifameno, toy ny afo tsy mba maty.
Saingy nolemana tanteraka, nolefonina ny fo, hanori-pery tsy ho tanty.
RRAG
17 Oktôbra 2004
--------
Rohy:
336 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216