IANAREO SY IZAHAY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAREO SY IZAHAY…!
Izahay ve?
Tsy mahita izay ho ambara, tsy manana ny hokianina.
Tsy dia manamanam-bava, sady tsy mba mody fanina.
Fa miezaka eny foana, milefitra amin’ny rariny.
Io koa anie tsy lainga e! Hoe: “Samy manana ny mariny”.

Ary ianareo?
Moa ve mba mahatsiaro, izato hoe tenanareo?
Moa koa mba mahalala, ny toetoetra am-ponareo?
‘Ndeha, ny lasa, topazo maso dia jinereo.
Ka tsy ho ela akory dia, hisy fahagagana hiseho.

Izahay ve?
Tsy hoe aloha tena mpanana, ka manana ny araradraraka.
Isaoranay ny lanitra avo, raha mbola misy koa ny arapaka.
Fa ny kely hanana, hany kely eo an-tanana, no afaka mba nozaraina.
Na dia kely aza ireny dia, mba azo atao ho tohan’aina.

Ary ianareo e!
Hatraiza ianareo no sahy, ka hanaiky ny handefitra?
Firifiry taminareo, no mba nanaiky ny nilefitra?
Nahatsapa-tena koa, fa any ho any misy mahantra.
Ka nidradradradra hoe:”Eh! Mba miangatra ‘ty lanitra”.
RRAG
05 Septambra 2015
--------
Rohy:
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936