IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…
Raha fiadanana tsy ho hita,
no hoe hamoizako anao,
dia aleo koa samy vita,
miaraka amin’ity tolonao,
ny fiainako eto an-tany,
fa tsy ho zakako ny hitomany!
Ka iandraso aho, eny iandraso aho,
raha ho any ianao!

Iandraso aho, raha ho any ianao,
fa tsy ho tantin’ny saiko
mihitsy, izany hoe hifandao,
ka aleo koa re ny aiko,
mba hanaraka anao,
hisedra ‘zay dingam-baovao,
any amin’ny fiainana hafa!
Ho iray ihany izaho sy ianao,
ho fitia tsy mety voafafa.
Iandraso aho, raha ho any ianao!
Aleo ho fasana iray
no hotambarantsika,
dia ho fitia mandrakizay,
tsy mba hisy fetran’isa!
Ka ho iray izaho sy ianao!

Iandraso aho, raha ho any ianao,
fa tsy haiko ny hitalaho,
higogogogo hitomany,
hiangavy ny hiverenanao,
ety ambony ny tany.
Dia aleo koa hafoiko,
raha ‘zay andro kely sisako,
ka ny fasa-no porofo,
manatevina ny vitako.
RRAG
24 Aprily 2012
--------
Rohy:
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203