IARIVOKELIKO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IARIVOKELIKO!
Indro mantsy ry Iarivo, nosaronany tanteraka, ‘lay masoandronao.
Indrisy mantsy ry Iarivo, fa dia ranomaso indray, no natao iainanao.
Dia hovetsoin’ny mponinao, an-tononkalo sy an-kira, ny fitiavany.
Hisoronany ny ainy, sy ‘zay hany mba fananany,
ny fahaleovantenanao, sy ny fahafahana, izay anao hatramin’izay.
Fa aminy: “Ny ainy mety lefy, fa ‘lay fitiavany kosa, tsy ho may”.

Indro mantsy ry Iarivo, potika sy rava, izato hoe mba endrikao.
Ilay noheveriko ho toby, vata hitoeram-po, izay mamelona ahy.
Vata volamena, zary nofiko, fa vatan’ny fitiavana miaro ny fanahy.
Dia ho tanteraka eto ve, ‘lay nofiko omaly, fa ho rava ianao?
Indro mantsy ry Iarivo, tsy tantin’ny foko, ny hahita anao tomany,
ho foana, ho potika sy ho simba, ary ho lasa vovo-tany.

Ry Iarivokely, izay akanin’ny firaisankina, resy ianao anio.
Tsy manan-kevitra, sy hery enti-miady intsony.
Fa dia malemy, tsy afaka mitsangana, noho ‘lay fo tsy mety tony.
Ry Iarivokely, resy ianao anio, resy aho anio!
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172