ILAY ANDROM-PANDRESENA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY ANDROM-PANDRESENA...!
Raha tamin'ny andro fahagola, tany an-tanin-Jiosy tany,
dia andro miavaka sy tokana, izany hoe Paka izany.
Fotoana hisakafoambe, mofo ary koa divay,
fa taty aoriana kosa, niova izay fety izay!

Lasa androm-pamonjena, nitsanganan'i Mesia.
Tsy iza moa izy izay, fa i Jesoa Kristy.
'Lay nisorona ny ainy, teny an-kazo fijaliana.
Novonointsika mihitsy, tao anaty vinavina!

Tombantomban-toetra, tsy nohevirintsika diso.
Tsy nampoizintsika ho ota, ka hivaly rahampitso.
Saingy iny andro iny, andro zary fahaterahana.
Dia 'lay Paka andro tokana, izay androm-pahafahana!

Ô ry Pakam-pandresena! Fanovàna sy fiovàna,
andro iray malaza ianao, ka tena mendrika hideràna.
Hideràna ilay Nahary, namindra fo sy tiantsika.
Ny zanany aza tokana iny, dia nafoiny ho antsika!

Ry paka androm-pahazavana, sady androm-pamonjena.
Ny Tompo nitsangana ho anao! Mba hisian'ny fandresena.
Dia miendri-panandratana, ny anaran'ilay Ray.
Derao izy, derao ny Tompo, ho fiadanana mandrakizay!
RRAG
01 Aprily 2017
--------
Rohy:
237 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213