ILAY FIARAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FIARAKO…
Namako iny, rafi-tanako ihany koa,
tsaratsara tefy, fa dia tsy miloko.
Namako iny, tsy foiko ato am-po,
‘lay sahy, namefy ny toloko.

Tsy mana-namana aho raha tsy iny,
fa ny hafa miafina ahy.
Iny ‘lay namako fahiny,
nahay nitaiza ny fanahy.
Nahay nizara alahelo,
nahay nihaino ny tomaniko.
Ilay namafa ny ranomaso,
noho ny fery izay tsy tantiko.

Ilay fiarako, rafi-“tôle” fanitso.
tefim-pantsika natsatotsatoka.
Ilay namako, tsy nanadino ny ampitso,
iray rà ka mifamatotra!
RRAG
25 Febroary 2013
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206