ILAY HIRANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY HIRANY…
Tsaroako ilay hira fiventin’i Antsa,
fampatsiahivana ny tsiaro fahiny!
Tsaroako ny gadony arahany hanta,
tsy mihira iny izy raha tsisy ny antony!

Ry Neny hoy ny feony, injay fa mikalo!
Tsy hamakian-tonony, fa vita tsianjery!
Ry Neny aiza ianao, hoy ‘ty feony milanto,
mihira mangina, dia miteny irery?

‘Lay hirany! Anaty feon-jazakely!
Ny gadony toa fikalon’anjely!
Feom-boromanga, araham-peo manga.
Ny hoaviny efa hita fa nanangasanga!

Tsaroako ‘lay hira fiventin’i Antsa iny!
Ilay mampiray, mampihavana ireo tiany!
Tsy avelako ho levon’irony fahiny,
fa tsiaro sy tsiahin’ilay tsy manan-tsiny!

‘Lay hiran’i Antsa, hira hafa tonony!
Hira tsisy mpanana, sy noforoniny!
Tsy misy mpiantsa firy, fa izy irery ihany.
Hira fahakeliny, nampitsiky sy tomany!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
250 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1697