ILAY SY IRONY ARY IRETSY (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SY IRONY ARY IRETSY
Iny fahatsorany iny, tsy midika halemena,
fa hery mampitraka azy, eny am-pisedrana fiainana.
Irony ranomaso latsany, tsy nisy tsiky notefena,
fotsiny fery efa nilona, saingy tsisy nitarainana!

Dia ny fanahiny no nitafany, k'injao niteniteny irery,
toy ny adala tsy misaina, mimonomonana tsy fantatra!
Tsy akory izy manana, saina misy verivery,
fa mbola mananten-tinaratra, am-piaina-mbola ankamantatra!

Eh! Iretsy vetso izay naloakany, tan-tsefon-drivotra nalefaka!
Tsy famari-paharesena, asehom-pahavalo an'ady...
Fotsiny izy velon-tsento, vao nahatsapa fa dia ketraka,
saingy mbola tsy tafita, mbola ilavi-bavahady!
Ilay misy mari-pahafahana!
Ilay misori-pandaharana!
RRAG
28 Septambra 2021
--------
Rohy:
224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176