ILAY TANANANAY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TANANANAY...!
Maro ireo tanàna, no kanto manan-tantara,
miavaka amin'ny maro, miendri-paradisa.
Fa ny any aminay, no mbola tena tsara,
tanàna nahabe, ilavi-disadisa!

Tsy vitsy izy ireny, no rako-javaboary,
tokana an-tany, tsy manam-paharoa.
Fa ny tanànanay, dia tolo-Janahary,
ka eo no hiafarana, raha teo no niandoha!

Tsy iza akory izany, f'ilay akanim-pahazazana,
tanànam-pahatsiarovana, nahitana soa.
Teny ho eny izahay, no tena tamana,
nifampizara mamy, sy mangidy koa!

Tsy misy akany volamena, mihoatra azy iny,
tokana izy raha ny harena, fitaizana azonay.
Any ianao r'ilay tanàna, tanànanay tsy manan-tsiny,
akaninay ianao, eny akaninay! Akaninay mandrakizay!
RRAG
11 Mey 2017
--------
Rohy:
442 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207