ILAY TIANAO INY INDRINDRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TIANAO INY INDRINDRA…
Ilay tianao iny indrindra no nitsangana ho fahavaloko,
nitazana nandalo ny efitranontsika!
Ilay maminao indrindra no fototry ny ankasoko,
nandrava tsy niantra ny fitiavantsika!

Ka ‘lay isika roa, tia mifankatia, iray tsy novakiana,
no zary izaho sy ianao!
Nisy faka niala, rimbona sy lo, ka ianao ‘lay tiana,
no zary endri-bao!

Ilay tianao iny indrindra no lefona natsatoka,
hanindrona ny atiko.
Izy indrindra mihitsy no kibay nidaroka,
ka zary toa tsy tantiko.

Vinaky ilay iray ka nitsinjara ho roa,
rava ilay isika dia zary izaho sy ianao!
Nitombina ho tsiaro irony tia taloha,
fa foana avokoa ny tamby avy aminao!

Potika sy ringana raha ‘rony nofinofy,
zary fanantenana ny hahita anao!
Ilay tianao iny indrindra no indro lasa rofy,
ka nampitsiry tsy niera ny fakan-dRatalaho!
RRAG
31 Martsa 2020
--------
Rohy:
511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203