INDRAINDRAY! (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin’ireo firarian-tsoa nataon’ireo tapaka sy namana tamin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahako!

INDRAINDRAY! (SAFIDY: 2012)
Tsaroako ireny saingy indrisy,
nofiko ihany toy ny lasa.
Nitady aho fa toa tsy nisy,
toy ny irony efa nahazatra.

Raha holaviko ny tolotra,
moa hahazo aho vaovao?
Nefa eto koa ny molotra,
te mba hisaotra anao.

Firariana ireny ka horaisiko,
dia aoka hivaly soa ny soa.
Ka ny omaly tsy ho ankasoko,
hikiry indray handràtra fo.

Dia mba tongàva eny amin'ny avo,
amin'ny tosi-tena manokana.
Tandremo nefa sao dia lavo,
fa mety tsy hisy fo hangoraka.
RRAG
06 Desambra 2012
--------
Rohy:
259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218