You are here: home > Vetso

INDRISY EH...! - RRAG

Azo vakiana?

INDRISY EH...!
Indrisy ianao ry tany
saika aho hisento.
Nefa aoka ihany
raha mbola tsy mitepo,
amiko ny fon’
ilay toka-notiaviko.
Indrisy tsy any intsony
ka indro indray holaviko.
Ny fitiavako izay nekeny,
tsy nisy izay fandavana.
Fa saingy efa ela ireny,
no niandrasako rahavana!
RRAG
15 Jona 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha