INDRISY RY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY RY...!
Mba miangatra lahy, ry masoandro maraina,
ny any tarafany, ny aty tsy ahoany.
Nefa ny aty, maro fo mitaraina,
nilaozan'ny tiany, ka tsy mety tony!

Miavona ery, ry lanitra manga,
mangarika mihitsy, ka rakofan-javona.
Ka ilay fanantenana, efa nanangasanga,
nierina kely, dia indro nanjavona.

Manavaka angamba, ny rivo-madio,
fa ny eny aminay, efa ho ady lava.
Tsy ambakan'izany, ireto tadio,
rivotra mafy, tsy mety misava!

Indrisy ry fiainana, toa miangatra ianao,
manava-tsaranga, manilika anay.
Nahoana ny fo, no tsy hitalaho,
raha izy efa tia, no nodonoro ho may?

Indrisy ry vintana, ho an'ny mahery.
Fiainana tsy mahataitra, feno teritery,
tsy natao ho anay, fa mainka aza fingana.
Vao hanomboka hiady, dia misy mamingana!
RRAG
14 Mey 2017
--------
Rohy:
309 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206