INDRISY RY TAONA A! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY RY TAONA A!
Segaondra atambatambatra hirafitra ho minitra!
Minitra maromaro no indro zary ora!
Ora mifameno ho dimy andro sisa.
Dia tapitra ity taona tomefin'ny herin'ny onja!

Indrisy ry taona ninday 'reo fahoriana,
hangidy toa anao ve itsy mbola hoavy?
Ianao mantsy akanim-pijaliana,
fery miombon-dràtra efa voafato-tady!

Any ho any izao misy mitomany,
fa resin'ny adim-piainana tanatin'ity taona!
Misy koa misento sady mandon-tany,
leo ny misetra sedra ny fony lavon-tsaona!

Indrisy ry taona a! Tsy afa-nisakaizana!
Ny mamy noheverina zary ranomaso!
Toa nofinofy sisa 'lay taom-pahazazana,
ilavitr'adin-tsaina, no sady tsisy ankaso!
Eh! Veloma aloha ry taona a!
Raha mety dia aleo tsy hihaona!
RRAG
27 Desambra 2020
--------
Rohy:
222 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166