INDRISY...! (18 Aprily 2022) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRISY...!
Finiavana ny anay, ny hahatonga azy ho ary,
hisy sy hitoetra, anilan-dRay sy Reny...
Fa hafa mihitsy ry aina 'lay laha-janahary,
nitondra fo hisaona, gina tsy hahateny!
Tsy takatry ny saina, ny soa hatolo-tanany...
Fa mety hahafoiny mihitsy, hahatramin'izay ananany!
Mbamin'ny tsy eny an-tanany!

Ny avo no hoe mpandahatra a?
Fa toy ny ahoana loatra, ny sarisarin-kevitry ny soratra voasorany?
Ora valo monja, dia indro fa nitsahatra,
tsy nitepo intsony ny fony te hitroatra, tinapitra ny orany.
Fa teo ny fara-tsoratra, am-pejin'ny tantara!
Nahoana kosa e? Nahoana no hoe dia 'zay no anjara?

Finiavana ny hitraka, raha iny resin'ady,
ka lavo teny an-tolon'ny setrasetra sahady,
'lay sombiny nirina, hisy sy hitoetra!
Indrisy anefa, valo ora no hany fetra!
Nangina ilay tomany, taorian-tsento roa,
ka niato tsy nitepo, teo koa 'lay fo...!

Ny avo no mpamaritra a?
Mpandrindra izay tantara, lalovan'olombelona...
Hatreo ve no fara faritra, nahafahany nivelona,
tanilan-dRay sy Reny, nikatsaka ny hikolo!
Nefa indrisy! Finiavana Ny Avo dia tsy hisy hahasolo...
Fa dimby fotsiny ny hoavy, raha toa ka tongasoa!
I Finiavana Ny Avo, sisa, mivelona any am-po...
Tsy voafafa na voakosoky ny soratra vaovao...
Fa i Finiavana Ny Avo, no voaloha(ny) nitoetra tao!
RRAG
18 Aprily 2022

Ho an-dRAKOTONDRAVAO Finiavana Ny Avo (Teraka ny 14 Aprily 2022 tamin’ny 01ora tolakandro ary resin’ny fiainana ora 8 tao aorian’izay, izay tamin’ny 09ora alina) tsy foin'i Dada sy i Neny! Mivelona ao am-ponay mandrakizay!
--------
Rohy:
500 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229