NISARAKA HONO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISARAKA HONO…!
Feo teny an-tsena
no nandrenesako hoe:
‘Lay ianareo toy ny tsy ho faty
nisaraka ihany anie e!
Ka dia naniry teny
ny fanantenako hitia.
Nino teo ny foko,
f’isika hiara-dia!

Nisaraka hono ianareo
dia ianao nikiry handeha!
‘Ty foko akia jereo
fa mbola amoureux!
Tia ka koa maniry,
anao ho anjara lahatra!
Tsy fitia vao mitsiry,
fa efa tafalatsaka!

Asio topimaso
na dia hoe mivilana!
Tiako ho hitanao
‘lay endriko efa mirana,
nahare ilay vaovao
hoe tsy azy intsony ianao
nahazo fahafahana,
higoaka fahasambarana.

Atepoy ho ahy
ny fitiavan’ny fondrȳ
ho silaka fanahiko
mandrakizay doria.
Hatreny an’alitara
ary tsy hisy fetra
tsy ho sombina tantara
fa izy rehetra rehetra!
RRAG
20 Desambra 2021
--------
Rohy:
703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207