INDRO MANTSY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRO MANTSY…
Indro mantsy ilay tantara,
nafenina ho misitery.
Nomena hanana anjara,
hanafaka ny teritery.

Nofohaziny, nozahany,
ireo tantara manan-jina!
Nokarohany tsy namelany,
ka nodorany ho kila.

Raha boky ianao efa lavenona,
fa soa ianao amboaram-po.
Raha teny ianao mampanenina,
fa dia levona sy lo!

Lova ianao ka ho harovana,
mba tsy hovaina sy ho hamboarina.
Ianao no sisa fahatsiarovana,
mitahiry irony marina!
RRAG
16 Aprily 2010
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0555