INY INDRAY NO TSY HITAKO… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY INDRAY NO TSY HITAKO…Lalina dia lalina ny nofinofintsika,
ianao no teo anilako!
Tsy mba namboarimboarina fa tena vitantsika,
ianao no tena silako!
Ianao ‘lay vadin’olona,
voalohan’ny fitiavako.
Efa anjaran’olona,
fa mbola norombahako!
Loza tena loza ‘ty zava-bitantsika,
ianao ‘lay notolomiko!
Tsy kisendrasendra f’efa nirintsika,
ianao handray ny oroko!
Ianao ‘lay tian’ny hafa,
ianao no hany tiako.
Izaho tsy nihafahafa,
nanàla ny hirifiriko!
Marina avokoa ‘reo vitantsika,
fa tsy nisy nofinofy!
Ny andro koa moa tena nangatsiaka,
k’izaho nitady tosy!
Dia satriko dia satriko ny mba nisy anao,
nitondra teny mamy.
Tsy misy hanenenako izao vita izao,
fa aleo izy hitomany!
Tsy nisy nanalana na iray akory,
ny fitiavam-poko!
Izany gadra izany, toa fampiesonan-tory,
ka aleo fa hotompoiko!
Raha tratram-badinao, na tratran’olon-kafa,
ety am-parafara.
Dia hahita izy ireo, fa nofinofin-kasa,
no niandohan-tantara!
Ianao ‘lay niboridana,
ianao ‘lay tsy niakanjo,
nitondra ahy hiridana,
hitady izay masoandro,
any ilavitra any,
mba tsy hisy fo tomany,
noho izaho sy ianao,
ety ambonin’ny tany.
Dray! Mitapy angaha ‘ty ‘zaho,
manofy toa ririnina?
Eo hoe tsongoy kely,
fa tiako hamarinina!
Ay! Kisarisarin-jery,
novelomiko hitosy!
Iny indray no tsy hitako,
fa hoe ‘ty ‘zaho manofy!
RRAG
31 Desambra 2012
--------
Rohy: