INY LALANA INY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY LALANA INY…
Toy izao ‘lay hafatr’i Mama, fony ny foko vao nitia.
Mbola namafisin’i Dada, mba hahatsara izato dia.
K’ireny no hany foto-piainako, notanako ho filamatra.
Ekeko anefa fa ny fisainako, tsy dia tena tonga lafatra.

Iny lalan’iny anie malama, ka ilàna fitandremana.
Ny kilalaom-pitiavana, dia mbola mety ho hanenenana.
Tsy misy fo, eny tsy hisy! Hoe tsy hanana ny tiany.
Ny mampijaly tia anefa dia, ahitàna tsiny!

Iny lalana iny ry aiko, lalam-bao fa aza maika.
Firifiry taminao moa, no mba mody tsy niraika?
Ankehitriny anefa ireny, dia tafita avokoa.
Ny fahaizanao mandanjalanja, no mitondra voka-tsoa.

Iny lalanao iny, dia an-tsafidy fa tsy an-tery.
Na izany nefa re, mba mahaiza koa mijery.
Mibanjina ny lasa vita, hivinaniana ny hoavy.
Nefa tandremo ihany koa, fa mety iny no mosavy.

Iny re ry sombin’ny aiko, no sakanao tsy hiroso.
Iny no fatorana, hihazona anao tsy mba handroso.
Fa hihenahena toy ny vony, efa maina faka mihazona.
Saingy mahaiza re mitony, dia alaviro ny avonavona.
RRAG
05 Septambra 2015
--------
Rohy:
528 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246