INY LALANAO INY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY LALANAO INY...!
Ry sombin'ny ainin'i Neny, aza mitomany,
fafao 'ty ranomaso, fa aleo izy ho any.
Izy no tsy tia, mitotoa koba hatavy!
Izy ve no handao, dia ataonao hampanavy?

Tsapako tanteraka, ny alahelonao,
nefa! Aza atao mahaketraka, raha ady toy izao.
Fa mbola hisy ihany, taratra hazavana.
Mbola ho lefy ity ririnina, ka hiova hafanana!

Iny lalanao iny, efa nolalovanay,
fa tsy hisy sedra, ho mandrakizay.
Tsy hisy ady izany, hoe mandramaty,
raha tsy hoe, fery efa anaty!
RRAG
06 Aprily 2017
--------
Rohy:
233 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173