INY PENINA INY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY PENINA INY…
Iny ilay tsiaro, nanoratako ny teny.
Ilay nandrafetako, ireo episitilintsika!
Tsy foiko na dia maro, ny mitovy toy ireny.
Peniko iny, peninao, iny koa no penintsika!

Iny penina iny, ilay namela irony marika.
Tsiahy ny fahiny, sy ny lasa efa navadika!
Iny ilay penina, tokana hany voatahiriko.
Na lany aza izy iny, toa tsy mbola nariako!

Iny penina iny, ‘lay fandrafetako tantara.
‘Lay isan’ny tsy foiko, tsy hadinoko mihitsy.
Iny penina iny, no hany tokana mba tsara.
Sady tsy hosoloiko, satria ny lasany tahiry!

Iny penina iny, ‘lay fanolorako arahaba.
Fanoratako lay teny, hoe: “Tiako ianao”.
Iny ihany koa, ilay nama-mpampisava,
namafamafa ranomaso, raha ilavitra anao!

Iny penina iny, no nanaovako veloma,
irony taratasy maro, nifandraisandraisantsika!
Iny no mba hany, fandaniako fotoana,
anaty ali-maromaro, hanjakan’itony hatsiaka!

Iny no namarana, nandrava ny fitiavana,
tamin’ny sora-kely monja, narahana veloma.
Iny no sampanana, nalaviran-kazavana,
tena namana, fa saingy nanan’ora!
Manam-petra ihany, ka tsy afaka nandravina,
ny ola-nosedraina, noho ‘reo diam-peniny.
Nefa satry ihany, ny voasorany hotiavina.
Kinanjo mahamay, ny afon’ny neniny!
RRAG
31 Desambra 2012
--------
Rohy:
314 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213