INY RAOZY INY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY RAOZY INY…
Ao anatin’iny raozy iny, no ametrahako ny foko,
raozy atokako ho anao,
satria iny raozy iny, toa anao ilay tsy foiko,
tsy foiko koa hatramin’izao.

Ao anatin’iny raozy iny, no amborahako fitia,
fitia mitoetra ao anatiko,
satria hinoako fa, iny raozy iny, no mampitovy ny dia,
vao renao ny antsoantsoko.

Ao anatin’iny raozy iny, misy amboara tsy mifoha,
re hitroatra haneho ny aty,
satria tokoa mantsy, iny raozy iny, vony iray mba manam-po,
nandrava felana ho vaky.

Ka ao anatin’iny raozy iny, no atobako ny soa,
ho fanasoavako ny tiana,
satria toa iny raozy iny, no anakinako ny fo,
ho anao ilay nirina.
RRAG
26 Martsa 2004
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204