INY RY AIKO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY RY AIKO…!
Iny ry aiko tiako, ny tamby avy amin’i Neny,
tsy to ny faniriana, saingy asio jinery,
ny hoavy sy ny sedrany, izay mbola tsy hita akory.
Ny lasa izay nandràtra, aza atao mahory!

Etsy dia mangina, fa aza mitomany,
tohofy fifaliana, ny tsatso entin-tany.
Mahaiza ny misaotra, ireo ninia namingana,
f’ireny setra ireny, no tosiky ny dingana!

Iny ry sombin’ny aiko, safo avy amin’i Dada,
isan-tsiaroko eto, ianao ilay nibada,
nisento sy ny nifoko… teo an-tratran’ny aiko,
kanefa izao anio, dia singa iray lalaiko.

Toaviko herim-po, fa manam-pahasahiana,
tsy mitomany intsony, raha tojo fijaliana.
Sahy miroso irery, tsy miandry Dada hitantana.
Sahy miatrik’ady, miankolaka, mivantana!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
275 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164