You are here: home > Vetso

IO NY VARAVARAKO DONDONY…! - RRAG

Azo vakiana?

IO NY VARAVARAKO DONDONY…!
Io ny varavarako dondony,
raha misy ilànao ahy.
Hampandroso aho, ka dia sintony,
fa aza dia manahy.
Manahoana ianao?
Valio raha azo atao.
Eo mipetraha,
f’ity ny sezanao.

Ento izato resaka,
tianao hambara.
Aza atao mahaketsaka,
fa halamino tsara.
Ampitonio ny fo,
f’izaho hihaino anao.
Ento, ambarao,
izato vaovaonao!

Fa kosa, raha toa ka sitrakao,
dia eo mba, hahenao.
Aza atao lava loatra,
fa sao dia hampanoaka!

Fa mbola maro koa,
ireo ‘zay toa anao.
Te hilaza izay nahavoa,
nefa leo! Leo ny miandry anao!
RRAG
Aogositra 2012

Hametraka hevitra

Midira aloha