IRENY ASA-SORATRAO. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY ASA-SORATRAO.
Narafitrao ho pejy, takila maromaro,
ny asa-soratrao.
Dia niondrika ianao, indray nanganohano,
ny sori-tavanao.

Ny sora-tananao, toy ny raozy tsy mety maty,
mitoetra hatramin’izao.
Safo iray nandalo, namelona ny aty,
ny aingan’ny fonao.

Ireny asa-soratrao, tsy vitsy tia mamaky,
tsy vitsy mpitahiry.
Ny aingan’ny fanahy, no indray mitaky,
ny ialan’ny hirifiry.

Ireny asa-soratrao, no tahiry an-diary,
voatonta ho raki-boky.
Voaravak’ireo ainga, voahaingon’ireo sary,
‘zay miendrika ho toky.

Ireny asa-soratrao, mbola velona eny,
eny hatramin’izao.
Reko ato anaty, irony antsan-teny,
tefin-tsoratrao.
RRAG
02 Febroary 2004
--------
Rohy:
271 1
Mpakafy: RRAG
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223