IRENY IANAO… NAHITA IRAY VAOVAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY IANAO… NAHITA IRAY VAOVAO…
Ireny ianao solafaka, nitady vonjy tamiko,
tafita anefa anio, tsy nahita izay mba tranoko,
tsy nahatadidy akory, ilay fiantsoana ahy.
Sahy nanadino, tsy nanana ahiahy!

Ireny ianao nitady, ahy nisasak’alina,
narehitro ny jiro, nampandrosoako ianao.
Ankehitriny, modianao ho fanina,
satria ianao, nahita iray vaovao.

Ireny ianao tsy nihinana, dia nirosoako hanina,
nandrapaka ny anjarako, fa tsy nasiako sira.
Kanefa ankehitriny, izaho aty mba manina,
tsy mba nohenoina akory, izay mba vetson-kira.

Ireny ianao noana, nitaky ny fitiavako!
Ireny ianao moana, nihindrana ny vavako!
Ka ankehitriny toa maneso, ny tokana ato am-poko,
nefa ianao fahiny, nanahy ny hosoloiko!

Ireny ianao naràtra, noho ny setrasetrany!
Ireny ianao nizaka, ny foto-pahatezerany,
niangavy nitalaho, niladilady tamiko!
Kinanjo ankehitriny, laninao ny mamiko,
dia tsy hitanao intsony, ny vavahadim-poko.
Noravànao tanteraka, ‘lay hany mba finoako!
Ka tsy hita intsony ianao, lasana nandao,
namonjy ilay akany, akany iray vaovao!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
688 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265