IRENY NO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY NO…
Tsiaro mihiboka mandràtra,
ny fo mihevitra ho tiana.
Fery efa latsa-paka,
ny fahadisoam-paniriana.

Nefa ny aina toa mametra,
ny zoga zakany holanjaina.
Ka ny fon’ireo mpisetra,
moa ve tsy hitaraina?

Ny endrika tsy mahatsara,
tsy hitsaràna olon-tsoa.
Ny maso anefa tsy mandrara,
na dia tsapany fa hahavoa.

Ireny no minia mikiky,
ny fitia tsy misy fetrany.
Eny, fa na dia ny tsiky,
minia misangy amin’ny tenany.

Misy fo minia mikimpy,
anaty sedram-pitarainana.
Misy aza efa dify,
resin’ny adin’ny fiainana.

Ireny rehetra ireny,
no mbola voatahiry,
anaty ilay diary.
Diarin’ny fahiny!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
290 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211