IRENY SANGINAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY SANGINAO…
Ireny sanginao, moa va tsy tena izy, fa sangisangy ihany?
Ireny teninao, nisy nahakivy, ay moa ka sangy hatrany!
Fa maro tamin’ireny, sanginao ireny, no nanaitra fo.
Tsy vitsy tamin’ireny, teninao ireny, no namaky loha,
hoe: “Moa va tena izy, sa sangy fotsiny ihany?”
Fa indraindray toa tsy haiko, ny sarim-bazivazy.

Tsaroako ireny ianao, mody maka “lague”,
amin’ny tranga tsy hampoiziko, hamatoranao ny foko.
Kanjo, ireto teny, kisarim-bazivazy,
kanefa, saika toa namaky, namaky ny lohako.

Ireny sanginao, ny ankamaroany tsy zaka, saingy mba nihafiako.
Rehefa tsy eo ireny, toa mahatsapa aho ho olon-kafa, izay ilay nahiako.
Fa hafa ihany irony sangy, nanazaranao ahy, ka efa zakan’ny fanahy!
Ka na hisy aza ireny, dia efa fantatro fa sangy, ka tsy ho hasiako ahiahy.

Malahelo ireny aho, raha sendra ilavitra anao.
Mandroretra irery aho, toy ny nalavirinao.
‘Reny hilikilikao aza, efa nipetraka ho tantarako.
Zary fanonon’ity vava, ilay teny hoe: “Malalako”.
RRAG
Alakamisy 05 Septambra 2013
--------
Rohy:
240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213