IRIKO… NOFY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRIKO… NOFY…
Iriko mba tsaroana, ‘lay nofiko omaly.
Iriko mba vonoina, ‘zay fery nampijaly.
Ka mba tsaboinao, ry nofin’ny aliko iny.
Ny fon’ilay raozy, mbola mpivahiny
an’efi-tranonao.

Iriko raha kaloina, horen’ny sombin’ny aiko,
‘lay hiranao ry nofy, anio misasak’alina.
Tiako hovetsoina, saingy toa tsy haiko,
ny miantsa ilay tonony, fa mampisento lalina.

Iriko irony nofy, lasa fahazaza,
raha afaka miverina, fa nofy volamena.
Toy ny tononkalo, ‘zay efa toa nalaza,
niverina an-kianja, injay anio fa velona.

Iriko raha ny ràtra, tanatin’ilay nofy, no mba azo afenina.
Fa mety tsy hahazatra, ny foko efa farofy, ‘ty latsalatsam-penina.
Ka mbola iriko ihany, ny handevenana azy, an’afon’ny lavenona.
Mba tsy hinia handràtra, ny saiko manantena, fa hahatafita tenina.

Raha azoko irina, ny hiverenanao, hanafo indray ny efitro,
dia ianao ry nofy, no ataoko faniriana, filanjako ny feriko.
Saingy mbola nofy, toa anao ihany, ‘ty vinan’eritreritro!
Aleo ‘zay lahatra eo, ry nofy mamikeliko, dia anjara holeferiko.
RRAG
05 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
466 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0307