IRY ILAY FASAN’I MAMA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRY ILAY FASAN’I MAMA…
Hontsa dia hontsa ny foko mahita,
mahatazan-tsanganana, famaritra fetra.
Fetran’ny aina, ain-tsy tafita,
fa resin’ny fiainana, fiainan-kerisetra.

Ao i Mama no mandry matory,
mirindrina vato, an’efitra tokana.
Tena renoka izy, tena resi-tory,
resim-piainana, ka mitokantokana.

Fola-damosina, ka tsy afa-miroso,
ny mihemotra aza tsy vitany intsony.
Lasa i Mama, ka iza no hiampofo?
Lasa any izy, fa tsy namana intsony!

Ka fasana no efitra, handrian’ny vatany.
Lamba tavoahangy, no hany fitafy!
Lasa re izy e! Nazeran’ny ràtrany.
Any nefa izy, efa tsy hihafy!

Tena tsy hahare, ny hirifirin’ny tany.
Tsy hahatsapa intsony, ‘zany fijaliana izany!
Tsy handrotsaka akory aza, tomany iray.
Fa izy efa hatory, mandrakizay!

Iry ‘lay fasan’i Mama, iry fa mitoetra, andrefan-tanàna.
Hitoeran’ny hatsiaka, hatsiaka mamanala, tsy hisy hafanana.
Fonenan’ny nofony, sy izay mety ho sisa, sisa tavela.
Nefa ihany koa! Mbola ho any isika, na ho ela na tsy ho ela!
RRAG
Mey 2013
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788